Explore every episode of the podcast Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté
| Title | Pub. Date | Duration | |
|---|---|---|---|
| LIVE FREESTYLE 2026-05-01 | 01 mai 2026 | 02:16:29 | |
FAMALIANA IREO FANONTANIANA AVY AMINAREO MPANARAKA NY PEJY RJL , LIVE FREESTYLE 01 mai 2026 | |||
| LIVE FREESTYLE 2026-04-19 | 19 avr. 2026 | 01:58:39 | |
FAMALIANA IREO FANONTANIANA AVY AMINAREO MPANARAKA NY PEJY 1- Inona no tokony atao Raha te hitarika olona hivavaka ? 2- Afaka miaraka vé ny ody gasy sy vavaka / kristiana sy franc-maçonnerie ? 3- Fahotana vé ny manao fanabeazana aizana ? 4- Ex nihilo ve ny fihariana sa nandamina zavatra efa nisy ftsn Andriamanitra ? 5- Rehefa inona no ilaina na tsy ilaina ny fanohanana pasteur ? 6- Nanao falsification ve Luther ? 7- Lainga Masina sy lainga mahafaty 8- Maninona ny lehilahy no mijery vehivavy sexy nefa rehefa vadiny dia tsy avelany ? 9- Inona Ilay hoe manala na manampy teny amin'ny Soratra Masina ? 10- Inona no tokony atao fa tsy mandry ny saiko amin'ny fahafatesan'ny vady amanjanako ? 11- Tanjona vé n fanambadiana ? 12- Inona no tena atao hoe mpiandry ? Iza ? Inona no conditions ? 13- Diso ve raha mampiandry fiantson' Andriamanitra fa hanangona moyens aloha ? 14- Inona no mahatonga ny olona mahatsiaro olona efa maty amin'ny zavatra mitovy foana ? 15- Tsy maintsy maty ve Jesosy vao misy famelankeloka ? 16- Isika génération taloha vé tokony hahay mampiasa IA ? 17- Ny fjkm sy flm ve miteny am fiteny tsy fantatra rehefa Mivavaka sa Fiangonana zandriny ihany no manao zany ? 18- Nahoana no miadana n ratsy fanahy fa ny manao n tsara mijaly ? 19- Tsy maintsy mandoa vola hono any ampengonana rehefa te hahazo Fitahiana ? 20- Ny mpiandry ondry hono mitondra tehina hikapohana ny ondry mivily mila faizana ? Izay no anton'ilay manasazy ny olona tsy afaka handray 21- Inona no atao rehefa any andanitra ? | |||
| [MD] NY "DIVORCE" | 25 août 2025 | 01:29:43 | |
Rediffusion CHRONIQUE DU MIDI TIK TOK du 25 Août 2025 mikasika ny DIVORCE. | |||
| [HP] NY TOERAN'NY TEOLOJIANA NA NY FIVAVAHANA MANOLOANA NY RAHARAHAM PIRENENA | 04 juil. 2025 | 01:43:17 | |
Averimberin'ny olona matetika foana ny hoe: ny TEOLOJIANA na PASTEUR na MPITANDRINA dia eny amin'ny pilopitra no asany fa tsy tokony hiditra amin'ny raharaham-pirenena. Lazaina hoe ny ARAM-PANAHY IHANY no andraikitry ny mpitondra fivavahana fa aleo hijanona ho amin'ny Mpanao politika ny resaka politika . Hadinon 'ireo miteny an'izany fa ny mpitondra fivavahana dia olom-pirenena, miaina anaty fiaraha monina sy firenena fa tsy hoe mitsingevana na miaina eny amin'ny habakabaka. Sahala izany koa ireo kristiana izay milaza fa ny paradisa sy lanitra no katsahiny fa tsy ny fiainana ety amin'izao tontolo izao ka dia tsy miraharaha izay resaka politika sy eto antany hono fa ny any andanitra ihany. Lasa tsy mipeha-tany intsony ny tongotra fa maniditsidina eny amin'ny rahona miandry zany paradisa izany . Tsy mahagaga raha ataon'ny Mpanao politika mifandimby fitaovana foana ny fivavahana satria hain'izy ireo tsara Ramalagasy sy ny fitiavana miangona sy manao amen amin'izay mahafinaritra ny sofiny. Ny teolojian'i BONHOEFFER manoloana ny fiainampirenena no karazana boussole hitondrako ny reflexion anio, fa TSY MAINTSY MI S'IMPLIQUER AMIN'NY RAHARAHAM-PIRENENA NY TEOLOJIANA, NY KRISTIANA fa tsy hoe TOKONY na hoe MAHAZO fa tena TSY MAINTSY. | |||
| [CA] DE L'ENFANT ROI À L'ENFANT DIEU | 30 mai 2025 | 01:53:22 | |
Tsy misy tsy mikaikaika amin'izao fotoana izao ny ray amandreny manoloana ny fanabeazany ny zanaka. Mivadika ny globy ankehitriny fa marobe ny raiamandreny lasa baikon-janaka sy matahotra mafy ny zanany. Ilay zaza chouchouté mpanjaka kely no indro mivadika ho ENFANT DIEU (tsy refesin-mandidy). Tandremo fa tsy mahasoa na ho anareo raiamandreny ary indrindra indrindra ho an'ny zanakareo ny ENFANT DIEU. | |||
| [CA] ANDRIAMANITRY MOSESY sy ANDRIAMANITRY SPINOZA | 02 mai 2025 | 01:51:21 | |
Niniana nafangaro foana hatrizay ny hoe : ireo Religions Monthéistes ( silamo, judaites, ary kritsiana). Noterena natao ihany koa ny atao hoe : ASSIMILATION hoe finoana Judéo Christianisme. Hany ka ny raisonnement de base mihitsy no nentina nanaovana ny analyse phénoménologique ny finoana kristiana ni -identifiena amin'ireo religions roa monotéhistes voalaza etsy ambony (silamo, judaiste). Hany ka tsy mahagaga raha DISO tanteraka ny fahalalana handraisana ny concept hoe : DIEU amin'ny kristiana raha mitaha amin'ireo finoana hafa ireo. Koa dia erreur fondamentale ny hitarafana ny concept DIEU kristiana miainga avy amin'ny fijerin'ireo finoana monothesite (izay nokianin'i Spinoza) | |||
| [HP] "EFFICACE" ianao "APPRÉCIÉ (mamy hoditra na mahafinaritra ny olona fotsiny)" eo anivon'ny FIARAHA-MONINA, FIRENENA misy anao ? | 04 avr. 2025 | 01:54:53 | |
Ny mpino dia lazain'ny Soratra Masina ho FAHAZAVANA sy FANASINA. Io fahazavana io anefa manelingelina satria mampibaribary zavatra maro, nefa koa manampy ny olona hahita tsara ny lalan kombany. Ity fampianarana anio ity dia hampisongadina bebe kokoa ny paradoxe hiainan'ireo izay tena FAHAZAVANA. Tonga amin'ilay fitenenana hoe "Ils sont à la fois détestés mais nécessaires". Koa eo indrindra no sarotra amin'ny safidy eo amin'ny mpino eny na tsy mpino koa aza, ka : - Na ianao "apprécié" (tian'ny olona sy mamy hoditra fotsiny fa tsy mitondra fanovana lalimpaka eo amin'ny FOTOMPISAINAN'NY FIARAHAMONINA akory ny fisianao ary tsy misy impact eo amin'ny fiaraha monina ny ataonao fa mijanona amin'ny hoe TIANY FOTSINY sy MAHAFINARITRA azy dia zay - Na ianao "detesté" fa misy impact na manazava ny zones d'ombres rehetra. Ny efficacité mantsy dia manambara ny marina sy manazava ny tokony ho fantatra saingy mazana dia tsy tian'ny olona henoina fa manelingelina azy donc normal ianao ho halan'ny olona saingy any afara anefa rehefa tena tojo situation tsy azo hiodivirana izy dia ampiasainy ihany iny amin'izay fotoana izay satria tsapany na dia nodiany fanina fotsiny aza fa iny ihany no mety sy efficace. | |||
| [CA] LE TRIO DU MAL (le MAL, le mal, le Malin) | 21 mars 2025 | 01:46:27 | |
Avy aiza ny RATSY (Le Mal) ? Iza no nahatonga ny faharatsiana (le mal) ? Ary ao anatin'izany mahay manararaotra Ilay Ratsy (le Malin). Ireo zavatra telo ireo mifangaro sy mifangojo amintsika ka mahatonga ilay fanontaniana miverimberina foana hoe "Raha nisy Andriamanitra maninona no misy ny ratsy?" Ndao ho resahana ny fifandraisan'ireo sy ny fahasamihafany. | |||
| [HP] MALEDICTION FAMILIALE HOE ? ( OZONA ?) | 28 févr. 2025 | 02:02:22 | |
Nisesisesy be tato ho ato ny fanehoan-kevitr'ireo influenceuses sy mpikirakira facebook mahakasika ny amin'ny fisian' ny MALEDICTION FAMILIALE ( OZONA ) ; izany hoe hifandovana isaky ny taranaka mifandimby Ilay izy. Koa dia mba hitondra ny analyse ihany koa ny pejy RJL miainga avy amin'ny rélfexion scientifique sy théologique. Ny position tananay mantsy dia misy fototra sy loharanony LOJIKA avokoa izay mety hiseho eo amin'ny fiainan'ny olona iray fa tsy voahangy latsaka na tora bato avy any andanitra akory ( zavatra mystique ) . Ny hialana amin'ny fatalité sy déterminisme izay indrindra no anjara birikinay eto. | |||
| [CA] FANASITRANANA NY RATRAN’NY LASA / FANASITRANANA NY FARASISAN’NY HELOKA NATAO | 21 févr. 2025 | 02:00:43 | |
Izao fandaharana izao dia hanampiana antsika ho afaka eo ambany vahoan'ny farasisan'ny lasa sy ireo takaitra napetrany ao amitsika ka lasa mamatotra sy manandevo antsika. Tsy azo ovana tokoa ny lasa fa azo atao tsara anefa ny miala amin'ny farasisan'ny lasa. Asaina manokana ireo mpiandry sy mpitandrina fa mety amitsika rehetra koa ny hizarana ny fomba hiatrehana sy hanampiana ireo olona izay mijaly noho ny lasany ka manaloka azy ireo lalandava. | |||
| [HP] TSY MODELY HO HALAIN TAHAKA AHO (Je ne suis pas un modèle, ni un exemple à suivre) | 07 févr. 2025 | 01:35:31 | |
Dradradraina foana ny hoe : isika no MODELY arahin'ny olona. Principe nalaina avy amin'ny "développement personnel" (la dynamique du groupe). Nahoana ny finoako sy ny fitomboako ara panahy no hampanankinako amin'ny olona ? Tsy manao dia ana kanakana (manaradrenirano) ve izany ka izay compteny any vidiny hoy ny fiteny, izay hiafaran' Ilay olona no hiafaranao zany ? Loooooza raha zany no hiseho ! Ny mimétisme sy exemplarité dia misy aspects hafa mihitsy izay tokony hotanana fa tsy arak'izay everantsika azy mihitsy. | |||
| [CA] JESOSY ARA TANTARA Vs JESOSY ARAKY NY FINOANA (Jésus historique ET / OU Jésus de la foi) | 31 janv. 2025 | 01:53:45 | |
Resabe foana ny hoe angano, noforonina izany Jesosy izany. Eo ihany koa ny mpino Kristiana manasaraka ny Jesosy ara tantara amin'ny hoe Jesosy araky ny finoana, hany ka lasa toy ny angano ka tsy mahagaga raha tsy misy fototra historika fa lasa finoana mitsingevaeva eny amin'ny habakabaka. Matoa tonga nofo Izy dia tena ilaina ny fampifandraisina ny notion Jésus historique amin'ny Jésus de la foi. | |||
| [HP] NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA (Souveraineté) MANOLOANA NY POUVOIR POLITIQUE | 17 janv. 2025 | 01:03:12 | |
Tian'ny mpanao politika loatra ity andinin-tsoratra masina ity ka dradradrainy mandrakariva, izay manao hoe : "Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra." | |||
| [CA] VISION ANTHROPOLOGIQUE MOMBA NY FAHAFATESANA | 10 janv. 2025 | 01:34:38 | |
NY FAHAFATESANA (Lohahevitra tsy firesaka firy satria tabous rahateo; kanefa heverinay fa tena mila hidirana mihitsy fa misy CROYANCES lalim-paka izay misy fiantraikany eo amin'ny fifaneraserantsika amin'ny ra fahafatesana mihitsy aza ) . Ny nahazatra antsika hatrizay dia naseho ho OZONA ka tsy mahagaga raha lazaina fa tora bato avy any an-danitra ka toy ny miaina eo ambanin'ny atao hoe épée damoclès mandrakariva raolombelona . Koa ny hitondrana ny fanazavana anio dia amin'ny alalan'ny VISION ANTHROPOLOGIQUE SUR LA MORT. Biby fampitahorana ve izany sa inona ny fahafatesana ? Ary ny lehibe indrindra amin'izany izay mifandray aminy koa dia ny fiheverantsika ny atao hoe OLOMBELONA manoloana izany. | |||
| [HP] HATRAIZA NY TSIPIKA MENA EO AMIN'NY FIAINAM PIRENENA SY NY FIVAVAHANA ? | 27 déc. 2024 | 01:06:22 | |
Ity lohahevitra ity dia efa ela no saika hovelarina eto niainga avy amin'ny trangam piaraha monina maro ; kinanjo mifanojo amin'ilay resaka farany nahabe resaka ny maro teo tamin'i filohan'ny FJKM sy solontenam panjakana iray. Koa heveriko fa ilaina ny miditra en profondeur mahakasika ity resaka ity ka tsy hotavela amin'ny tora po politika sy ny tora po pivavahana fotsiny ihany. Les extremes sont toujours dangereux hoy ny fitenenana. Lectures miainga avy amin'ny zava niseho teo amin'ny tantaran'ny reforma no hitondrana ny analyse, nanoloana ny REVOLTE DES PAYSANS. | |||
| [CA] MIARA MAMINDRA AMIN'ANDRIAMANITRA (INTIMITE AVEC DIEU) | 13 déc. 2024 | 01:30:54 | |
Lohahevitra maningana azo kilasiana ho mistika izao lohahevitra izao. Miainga avy amin'ny fandinihana ireo tranga maningana voaresaka ao amin'ny Soratra Masina atao hoe HAPAX LEGOMENON. Nandalovan'ny teolojiana fotsiny mantsy ireo hapax ireo kanefa Dia tena IMPORTANT satria matoa io ao dia MISY DIKANY. Izaho manokana dia mahaliana ahy izany , ka nanankinako ny spiritualité-ko. Fifaliana ho ahy ny hizara amintsika azy eto ho an'izay mety ho liana te hanana "qualité de relation" ho amin'ny fifaneraserany akaiky amin'Andriamanitra; izay lazaiko hoe INTIMITÉ DE DIEU. | |||
| [HP] WERAWERA SA VONJY AINA ? IZA NO LAHARAM-PAHAMEHANA, IZAY MAHAFINARITRA NY MASO SA IZAY MAMELONA NY AINA ? | 22 nov. 2024 | 01:40:46 | |
Tsy mpahay toekarena akory aho fa olontsotra ihany kanefa tokony ho fatatry ny vahoaka ny zavatra miandry azy eo amin'ny lafiny toekarena araka ny voalazan'ny LOI DE FINANCE 2025 (LFI 2025). Tsy natao ho an'ny économistes irery angamba ny voalaza ao anatin'izany fa natao ho an'ny vahoaka rehetra (toy ny baiboly izay tsy natao ho an'ny teolojiana irery) kanefa toa lasa very anjavony amin'ny resaka teknika izany nefa dia ny vahoaka izay tsy mahalala na inona na inona no hizaka sy hibaby izany. Koa solotenan'ireo vahoaka madinika aho mba niezaka namaky io LFI 2025 io noho izany dia hilaza ny hevitro aho mba ho ren' izy ireo izay tokony ho fatany. Mapametram-panontaniana ihany mantsy ny hiandry antsika miankavy amin'ny 2025 raha arak'io LFI io. | |||
| [HP] NY HO AVIN'NY FIANGONANA ? | 01 nov. 2024 | 01:42:23 | |
Tsy mahamenatra na mampatahotra ahy ny miantsoantso mandrakariva fa ny taranaka ankehitriny dia vavolombelon'ny "fin d'un cycle de vie" n'nyFiangonana. Izaho dia tsy mihambahamba mihitsy fa ny INSTITUTIONALISATION vokatry ny cléricalisme no fositra naha lasa "coquille vide" ny Fiangonana ankehitriny ka na dia mijoalajoala sy mameno stade sns aza izy ireny dia KIPANTSONA VARAHINA MANENO sisa. Mahatsara zavatra anefa izany fa raha tsy levona ny voambary tsy hahavokatra izy. Mialoha ny hahaterahan'ny zazakely iray dia tsy maintsy mandalo fanaintainana mafy. Eo amin'izay "phase" , izay mihitsy ny fahitako ny zava misy ankehitriny. | |||
| [CA] NY FAHASOAVANA MITAHA AMIN'NY FAHOTANA FOTOTRA | 25 oct. 2024 | 01:29:55 | |
Fanontaniana miverimberina fametraky ny olona nyhoe : ny fahotana ve lovaina sa mifindra manaranaka ? Raha i Adama sy Eva no nanao ny nataony dia izahay aty afara ve no mizaka ny tsy eran'ny aina ? Mba rariny ve hoe Adama no nanota dia isika no mibaby ny vokany ? Lalim-paka loatra ny fahavoazana mahavoa ny olombelona ka tsy misy lalana hafa ankoatry ny FAHASOAVANA IRERY IHANY. | |||
| [HP] FARASISANA FINOANOAM-POANA TAVELA AO AMIN'NY FIVAVAHANA KRISTIANA | 27 sept. 2024 | 01:27:08 | |
Matoa nisy izany REFORME DEUTERONOMIQUE nataon'i Mpanjaka Josia izany dia satria mbola namofompofona SYNCRETISME (fampifangaroana finoana roa samihafa tsy afaka mikambana mihitsy). Sarotiny ery isika mampianatra ny Didy voalohany , nefa eo anivon' ireo olona heverina fa sarotiny ny amin'izany indrindra no mbola TENA mampifangaro zavatra izay tena tsy AFAKA NY HIFANGARO mihitsy. Koa eto dia ialanay tsiny mialoha sahady fa na dia œcuménique aza aho dia tsy afaka hi- cautionné zavatra izay TSY AZO EKENA mihitsy. Ary toy izany koa na dia TENA ZANAKY FIFOHAZANA koa aza aho dia tsy afaka ny hangina fotsiny koa amin'ny fombafomba lokoina ho mistery nefa mbola tena fara sisana finoanoam poana. | |||
| [QZ] Questions/Réponses : 20 sept. 2024 | 20 sept. 2024 | 01:27:15 | |
1 - Mety sa tsy mety ny fanaovana jeu de hasard am piangonana ? Resaka tombola ilay izy hanohanana vokatra 2 - Kristiana ny tenako ary nanana havana akaiky maty miisa telo tao anatin'ny 20 volana. Ny fanontaniako dia izao : Famindram-pon'A/tra ny tombon'andro sy ny fahasalamana azontsika isan'andro. Ka rehefa ilay mifoha maraina, marary dia maty avy eo ve dia midika fa tapitra @ tsika ny famindram pon'A/tra ? 3 - za olona tsy mpivavaka Sady tsy Liana amin'ilay fivavahana saingy nisy vidéo nataonao tato sendra nandalo ny masoko izay nahasarika ahy nahatonga ahy nanaraka ny pejinao . Esoriko izay resaka Jesosy Dia izay mety amiko aloha no raisiko hatreto . Na zany aza Dia manana fanontaniana Kely za hoe raha tena Misy zany Atra zany, raha tena fitiavana tokoa izy, Nahoana no misy olona teraka mahatra, miaina mahatra, Maty mahatra ? Nahoana no asiany n aretina ? Ny fahafatesana ? Ny hiaran'ny tsy rariny ? Angaha tsy azony SAKANANA izany ? | |||
| [CA] FAHAMAINANA ARA-PANAHY (SECHERESSE SPIRITUELLE) na LES NUITS DE LA FOI | 13 sept. 2024 | 01:31:56 | |
Misy fotoana rehefa tena tafalatsaka ao anaty ady sarotra ny olona iray dia tsy mahare tsirony intsony ny fihainoana sy famakiana ny Soratra Masina ary koa tsy mahatonona vavaka intsony fa resy tanteraka. Amin'iny fotoana iny dia mametra-panotaniana ny tenany ny maro manao hoe : tratry ny fihemorana ve aho ? sy hoe VERY VE NY FINOAKO ( J'ai perdu ma foi ) ? Mangony fotsiny ny fanararaotan'ny devoly sy ny famendrofendron'ny mpiara-mivavaka. Io vanimpotoana io no atao hoe : SÉCHERESSE SPIRITUELLE na Ilay lazain'ny teolojiana hoe : LES NUITS DE LA FOI. Mbola misy antenaina ve ny iverenan'ny FINOAKO sa tsia ? | |||
| [HP] MAMPAHANTRA na/sy MAMPANANKARENA VE NY FIVAVAHANA KRISTIANA ? | 06 sept. 2024 | 01:15:35 | |
Nisesisesy be ny fanehoan kevitra teto amin'ny facebook fa hoe nampahantra an'i Madagasikara ny fivavahana Kristiana. Affirmation gratuite ve izany sa fanaovana raccourci ? Teo ihany koa ny izay milaza fa tsy mahay miara-dalana ny fahantrana sy ny Filazantsara. Manoloana ireo fanehoan-kevitra roa ireo, dia manasa antsika hanaraka izao LIVE izao hanehoana fa manan-kolazaina manoloana izany ny ETHIQUE PROTESTANTE, izay loraharano nipoiran'ny Esprit capitalisme. | |||
| [HP] FIVAROTANA NOFY : MIAINGA AVY AMIN'NY TSY MISY HONO NO LOHARANON’NY FAHOMBIAZANA ? | 16 août 2024 | 01:53:27 | |
Voizina be mihitsy tato ho ato ny hoe " départ Zéro " aho nanangana ny orisanasako, " départ zéro " aho nanatanteraka ny nofinofiko, " départ zéro " sy tsy nisy n'iza n'iza ary tsy nanana na inona na inona aho nefa ankehitriny hitanareo amin'izao ny fahombiazako sy ny firoborobon'ny orinasako sns... Quand on veut on peut HONO eeee, sao dia mifamadika amin'izay no tokony ho izy hoe : QUAND ON PEUT ON VEUT ? (PRAGMATISME EMPIRIQUE INDUCTIVE) | |||
| [CA] LOZA MANAMBANA APOKALYPTIKA | 09 août 2024 | 02:18:22 | |
Manoloana ny fiakaran'ny WOKISME dia mi - s'organiser ireo Millenariste fondamentaliste (miasa mangina any ambanin'ny tany). Ireto farany mandray ara bakiteny fa izy ireo no voafidin'Andriamanitra HONO (les élus) hanatanteraka ny ARMAGEDON. Tsy faminaniana no ataoko fa lecture politique et historique ary idéologique, izay efa amperiny fa tsy rediredy akory. | |||
| [QZ] Questions/Réponses : 26 juillet 2024 | 26 juil. 2024 | 02:12:01 | |
1 - Momba ny position an'ny Sola Scriptura vs Candaulisme sy ny tendances rehetra manao libertinage : Raha misy mpivady, vita soratra, ary mariage religieux; ka mifanaiky tsara ry zareo hoe hiditra @ sehatry ny libertinage (sous toutes ses formes); tsy an-tery, fa tena hoe nifampiresahin-ndry zareo tsara ary nifanaiky fa hanao ireo pratiques ireo. Inona no position an'ny Sola Scriptura momba an'izany? Fijangajangana ve izany? 2 - Salama Pastera. Remarque-Ko amin’ilay resaka « vola » ao ampiangonana amin’izao: marina fa betsaka lasa manao « business » ny fiangonana, kanefa koa ny kristianina mimenomenona amin’ilay izy koa anefa otran mahagaga ihany ndraindray hoe tsy mi-realiser hoe mila vola koa anie ilay asan’ny fiangonana : ny fitaizana any amin’ny sampana, ny tafika masina, sns … Ohatran’ny lasa à tord et à travers loatra lay fanenjehana fa sao olona tsy miezak miaina ilay fiombonana amin’ny mission an fiangonana koa ireo mpanenjika lava. | |||
| [CA] DIEU : LE TOUT AUTRE - part 2 | 19 juil. 2024 | 01:06:54 | |
Soa fa tsy mitovy amiko sy ianao ILAY IZY = YHWH. Raha tsy izany dia efa tsy haiko intsony hoe aiza no nihafarantsika.
| |||
| [CA] DIEU : LE TOUT AUTRE - part 1 | 19 juil. 2024 | 01:02:43 | |
Soa fa tsy mitovy amiko sy ianao ILAY IZY = YHWH. Raha tsy izany dia efa tsy haiko intsony hoe aiza no nihafarantsika.
| |||
| [CA] MIRACLE SA HASARD SA SYNCHRONICITÉ ? | 04 juil. 2024 | 01:35:36 | |
Ity catéchisme d'adulte ity dia ho famaliana ny fanontaniana napetrak'i Koto Lilahimahitsoambo tamin'ny fitantarany ny zavatra nitranga taminy nilazany hoe : fahagagagana sa kisendrasendra ny nifanenany tamina fianakaviana iray izay nanampy azy tamin'ny fotoana namparary ny zanany. Nanontany moa izy tamin'izay fotoana izay hoe :
Araka izany :
| |||
| [HP] NY FIVAVAHANA ETO MADAGASIKARA : NATAON'NY MPANAO POLITIKA ANESTHÉSIE HO AN'NY VAHOAKA MALAGASY HAHATONGA AZY IREO HO VOAN'NY AMNÉSIE. | 28 juin 2024 | 01:13:51 | |
Rehefa be loatra ny ANESTHÉSIE atao amin'ny olona marary iray dia lasa voan'ny AMNÉSIE izy ka manjary misy perte de mémoire. Toy izany tsy misy valaka no anaovana ny vahoaka Malagasy, totofana ANESTHÉSIE, tampenana sparadrap ilay fery na feno nana aza. Mahavariana fa na dia mijaly sy fadiranovana toy ny inona aza ny Malagasy dia mora avily ny sainy ka lasa sahirana sy mitsinjo ireo izay efa be hatoka indray (le monde en l'envers). Ary ny mampalahelo dia ny FIVAVAHANA no nampesain'ny mpanao politika amin'izany. | |||
| [CA] NY FAHORIAN'NY SASANY FIFALIAN'NY SASANY | 21 juin 2024 | 01:14:46 | |
Masiaka sy ratsy fanahy ny olombelona. Raha misy olona manana fahoriana na misedra zava tsarotra eo amin'ny fiainany dia misy olona mikaroka sy misikotra ny anton'iny toy ny misikotra parasy ka tsy amelany raha tsy ahitany irika hahafahany mitsingoloka amin'izany mba hanalany ny stress sy frustration sy ny ngidin'ny afero amin'ny fiainany. Anisan'izany isika Malagasy hany ka tsy mahay manaja ny fisaonan'ny olona intsony fa sanatria toy ny VAUTOUR, zara aza misy faty hitangoronana hanaovana resaka hanampiana ny fahorian'ilay olona sy handetehana azy. Ohatra amin'izany izao ilay fahafatesan'ny vadin'ilay Pasteur malaza iray Marcello iny izay ahitana taratra ny tena toetran'ny kristiana. | |||
| [HP] KRISTIANA AHO VAO MALAGASY sa MALAGASY AHO VAO KRISTIANA ? | 07 juin 2024 | 01:58:28 | |
Hifandroritana be izany amin'izao vanimpotoana izao eo amin'ireo « EXTRÉMISTES » kristiana sy ireo « TRADITIONALISTES ». Noho izany dia ho resahintsika ato ireto :
Ny fomba hitondrana ny laha-dinika dia « phénoménologie » manoloana ny « croyances ». Sary nindramina : https://dacb.org/stories/madagascar/nenilava/ | |||
| [CA] MAMELA HELOKA !!!! ADY SAROTRA SAINGY MANAFAKA SY MANASITRANA | 31 mai 2024 | 01:20:29 | |
Ny fikendrena amin'ity catéchisme d'adulte anio ity dia ny fanazavana fa tsy '' EXIGENCE MORALE '' akory ny mamela heloka fa fitsinjovana ny tena mihitsy ara-psikolojika sy aram-pahasalamana. Vesatra sy entana tsy zaka raha toa ka ho fitsinjovana ny hafa fa tsy fitsinjovana ny tena. | |||
| [HP] SAVOIR VIVRE – VIVRE ENSEMBLE – TÉMOIGNAGE - AUTHENTICITÉ | 24 mai 2024 | 01:42:57 | |
Anisan'ny olana lehibe iray vokatry ny ''fondamentalisme'' ny tsy fananana ''équilibre'' manoloana ireo zavatra 4 tanisaina ireo ambony ireo hany ka lasa mivadika ho tsy fahalalam-pomba sy tsy fahaiza-miaina, manakaiky ny baribarihanina mihitsy ny toetsaina ''fondamentaliste'' kristiana. | |||
| [CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... - Part 3 | 10 mai 2024 | 00:45:26 | |
(sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com) | |||
| [CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... Part 2 | 10 mai 2024 | 01:03:38 | |
(sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com) | |||
| [CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... Part 1 | 10 mai 2024 | 01:00:22 | |
(sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com) | |||
| [HP] RAY AMAN-DRENY "TOXIQUES" (PARENTS TOXIQUES) | 03 mai 2024 | 01:50:33 | |
"Manajà ny rainao sy ny reninao mba hahita soa ianao" Betsaka isika Ray aman-dreny no manararaotra io didy fahefatra io hi-exploité ka tonga hatramin'ny filazana fa SOLOTENAN' ANDRIAMANITRA eto an-tany ny Raiamandreny. Tsy tsapan'ny maro anefa fa lasa manimba sy mamotika mihitsy aza ny fiainan'ny zanatsika izany. | |||
| [CA] ETIKA KRISTIANA EEE, NORME ARAHINA EEEE, FAHAMASIANANA EEEE, AVY AIZA MARINA IZANY ? IZA NO NAMETRAKA AZY ? | 26 avr. 2024 | 02:04:02 | |
Heno foana eo ambavan'ny " mpivavaka " ny hoe : TSY MENDRIKA NY TOY IZAO SY TOY IZAO AMIN'NY MAHA KRISTIANA ( fitafy, fiteny sns .. ). Dia samy mitompo teny fatratra, manao affirmation gratuite, mitanisa verset Dia tovonana anganombaviantitra sy lovan-tsofina mba hampatavy ny resaka. Andao resahana hoe : avy aiza ny source ? Inona no tanjona ? | |||
| MISY LOKO HITA MASO AZO TSAPAIN-TANANA TOY NY LOKON-DAMBA (CODE COULEUR) VE NY FANAHY ? | 17 avr. 2024 | 01:56:39 | |
A- Ny RAD Toby lehibe 4 HONO no NANDRARA ny fisalorana ny lamba (FITAFY) MAINTY SY MENA satria hono sensible amin'ny fanahy ratsy (Ao amin'ny boky manga hono ny fanazavana izany). B- Ny loko MAINTY SY MENA (fitafy) hono dia LOKON'NY DEVOLY sy tena mahasarika dévoly. C- Akanjo mainty hono andramana anaovana rehefa manala devoly raha hisy devoly hivoaka. Akanjo mainty be sy mena midorehitra be entina manala devoly amin'ny marary any amin'ny Toby ahitanao ny vokany. Ndao resahana sy idirana lalina ny mahakasika izany rehetra zany ka ny hitondrana fampianarana dia ny hoe : 1- Tena niteny izany tokoa ve ireo Raiamandrenim-pifohazana sa apetraka eo ambavan'i Mosesy toy mahazatra ? 2- Ahoana tokoa moa zany no tantaran'ny robe liturgique sy toge ? Symbolisme avy aiza no entiny ? 3- Fa inona izany no tena hatahoran'ny devoly ka hialany amin'ny olona iray ? | |||
| [CA] MPANAO ASA SOA HONO ! TSIA - MANAO ASA TSARA KA ! | 14 avr. 2024 | 01:31:47 | |
Ny rehetra no afaka manao asa soa fa tsy ny rehetra no afaka manao ASA TSARA. Mpanao asa soa dia : > tratry ny aretin'ny Syndrome des sauveurs sy ny > hoe "ceux qui paient dominent". > Se racheter une conscience et blanchiment des mœurs. [source] | |||
| [HP] GUERRE DE COMMUNICATION ET INTERNET À DEUX VITESSES | 31 mars 2024 | 01:25:45 | |
👉 Inona no ao ambadika ? Inona no tanjona ? 👉 VAHAOLANA tokoa sa famonoana afo tsy hisian'ny OLANA ho an'antokon'olona vitsivitsy ?! 👉 Opérateur économique vé sa opérateur politique nareo ry telma sy orange ary airtel ? 👉 Nahoana no atao sesitany eto amin'ny taniny sy hatokamonina ny Malagasy ? Mba hahafahana manandevo azy sy hanaovana azy ireo toy ny ampondra ka hanaiky izay rehetra atao aminy ? Tandremo aza sao may ny afo hatsangana ka hitetika arivo maty iray alina eeeeee. Hum ... | |||
| NY FAHANGINAN'I JESOSY MANOLOANA NY TABATABAN'NY MPAMPAHORY AZY. | 28 mars 2024 | 00:24:09 | |
VATSIM-PANAHY - TORITENY FOHY Alakamisy Masina 2024 | |||
| [CA] EGLISIOLATRIE ? Inona koa zany ? | 24 mars 2024 | 01:07:24 | |
Eny teny tsy mbola misy izany fa niniako noforonona mihitsy. Teny roa natambatra EGLISE + IDOLÂTRIE. Rehefa ny Trano Fiangonana na ny rafi piangonana no lasa sakana tsy hahitana AN'ANDRIAMANITRA Dia Tonga sampy mihitsy. Fa inona mihitsy no Zavatra mitranga amin'izao mahatonga ahy milaza izany ? | |||
| [CA] PERVERS NARCISSIQUE - 2è partie | 17 mars 2024 | 01:07:12 | |
Plan : 00:02:01 comprendre la personne, ce qu'elle vit 00:10:16 problème structurel et non comportemental 00:19:50 pas de solution préfabriquée; accompagnement; échecs 00:23:43 se sent comme de la m**de, vermine; orgueil comme cache-misère 00:26:00 Jehovah mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa (Jer. 17, 9-10a) 00:28:40 Atolory Ahy ny fonao 00:30:41 Salamo 139, 2-6 00:36:19 mila mitandrina sy miaro tena 00:38:47 confronter, constat personnel, travail de mirroir 00:42:20 démolir son auto-idôlaterie et son orgueil 00:48:47 ny vavaka atao ho an'ireny olona ireny 00:52:10 changement de vision, de paradigme = asan'A/tra 00:53:32 iza no olona hitia ahy amin'izao faharatsiako izao? 00:54:22 Jesosy irery ihany no mitita olona tsy azo tiavina intsony 00:58:46 olana fototra: orgueil alimenté par la vanité 01:02:07 fehin'izay voalaza rehetra izay Source: https://www.facebook.com/epubnamur/videos/259099467170742 | |||
| [CA] PERVERS NARCISSIQUE - 1ère partie | 17 mars 2024 | 00:50:10 | |
Plan : 00:00:00 tari-dresaka 00:02:18 fahanana ny ondrin'Andriamanitra 00:07:46 trouble de personnalité 00:12:39 angle théologique de l'enjeu : combat spirituel 00:16:49 avy aiza ny teny hoe "narcissisme" 00:23:23 définition psychologique 00:24:35 fonctionnement d'un PN 00:27:12 l'être humain en devenir 00:31:20 low self-esteem 00:34:04 victime 00:41:21 raisonnement : il faut détruire la victime 00:42:16 fehiny 00:45:01 fiangaviana: zarao au maximum 00:46:14 inversion de personnalité avec sa victime 00:49:51 dimension spirituelle = miditra ny asan'Andriamanitra Source: https://www.facebook.com/epubnamur/videos/259099467170742 | |||
| POSITION AN'I RJL MANOLOANA NY LOI CASTRATION CHIMIQUE ARY NY PHÉNOMÈNE DE VIOL ETO MADAGASCAR | 10 mars 2024 | 01:25:37 | |
Nirongatra izay tsy izy ny FANOLANANA tato ho ato ary ny mampalahelo dia zazakely avokoa ny ankamaroan'ireo voaholana ary amin'ny fomba feno habibiana mihitsy izay mampieritreritra hoe inona no ao ambadika ankoatry ny filan'ny nofo ? Matetika ny victime sy ny mpanolana dia OLONA SAHIRANA foana no ASEO vahoaka. Donc na ny informations aza dia EFA misy sivana mialoha sahady nefa iaraha mahalala fa MAHAKASIKA NY OLONA REHETRA ITY RESAKA ITY na " olona manan-katao " na " olona ambony manana ny toerany " na " olo-malaza " na " vahiny " sns... Nefa toa ianiana tsy lazaina sy afenina ary toa tsy mety tratra ? Natao ho an'iza koa Ilay lalàna nivoaka ? Amin'iza no ampiharina dia amin'iza no tsy ampiharina ? Inona no ambadik'ireny ? Inona no mety ho VAHAOLANA FOTOTRA tsy maintsy resahana mialohan'ny LOI DE CASTRATION manoloana izao Zava-misy izao ? | |||
| [HP] RENOUVELLEMENT DE LA CLASSE POLITIQUE A MADAGASCAR | 01 mars 2024 | 01:24:05 | |
Obsolète daholo ireo rehetra ireo na ireo au pouvoir, na ireo opposition ... C'est toujours les même refrains ... disque loaka. | |||
| [CA] MIFINDRA AMIN'NY ALALAN'NY FANAMBADIANA VE NY FINOAN'NY OLONA IRAY ? | 25 févr. 2024 | 01:32:05 | |
Nisy question réponse nataonay teto amin'ny page RJL ary nisy mpanaraka ny pejy nametraka fanontaniana : "za kristiana, n olontiako silamo . tena.mifankatia zahay nefa n RADniko ts manaik , n any aminy tsy mis olana . IZY nefa manaik n ijanonako ho kristiana f tsy voatery ifindr silamo anaraka azy za... mikas hivady zahay nef problem B n am RAD .. ahoana pasteur n FAHitanao azy ?" Maro no nanao commentaires tamin'izany niakatra sy sorena ary tezitra. Noho izany Dia nanapa-kevitra izahay fa raisina thème manokana mihitsy ity lohahevitra ity... Tsy ny Silamo ihany no raisiko fa na SILAMO , NA ATHÉE, NA MPANDALA FOMBAN-DRAZANA , NA INONA NA INONA FINOANY. | |||
| [CA] HÉDONISTE ? | 11 févr. 2024 | 01:14:13 | |
Tsy afaka misitraka sy mankafia fiainana ve izany ny MPINO sa kilasiana ho HÉDONISME izany ? Araka ny hoe : SAINO NY ZAVATRA ANY AMBONY Dia midika ve izany hoe ADINOY NY FIAINANA ETO AN'-TANY ? Ny mandalo sy miserana ve midika fa tsy misy ilàna azy ? PS : Ho an 'izay olona mora madilo sofina sy mora tohina dia hiangaviana sahady tsy hanaraka mba tsy haha tafitohina anao (Puritains sensibles à conseiller de s'abstenir). | |||